Jamba
Mahaleo
[Verse] Jamba aho eny jamba Nilaozana hazavana Tao anaty aizim-pito aho Aizina tsy azo hialana Loko tokana ihany No mba navela ho ahy Dia ny maintimainty izany Tsy misy ny ankoatr’izay [Chorus] (*2) Nefa rahavako aminao no hiara-dia Tsy navelanao ho tazako Ny lokon’ny fitia Nefa rahavako aminao no hiara-dia Tsy navelanao ho tazako Ny lokon’ny fitia [Verse] Moana aho eny moana Tsy navela hiteny akory Raha te hiresaka aminao aho Ny tanana no ahetsiketsik’eny Soa fa nisy tanana aza Azoko asoloko ny vavako Ahafahako milaza Fa anao ny fitiavako [Chorus] (*2) Tsiky eny tsiky No nasetrinao izany Tsy navelanao ho kivy aho Raha mbola anilanao ihany Tsiky eny tsiky No nasetrinao izany Tsy navelanao ho kivy aho Raha mbola anilanao ihany [Verse] Malemy aho eny malemy aho Tsy afaka hijoro akory Enta-mavesatra ho anao Hahatonga sorisory Fiantrana fotsiny ihany No mahatonga anao ho eto F’izay any am-ponao any Mandratra ka tsy tianao ho haseho [Chorus] (*2) Nofihininao mafy ny tanako Ka hoy ianao hoe mangina Fa ny andro sisa hiainako Natokako ho anao ry tiana Nofihininao mafy ny tanako Ka hoy ianao hoe mangina Ny ranomaso naneniky ny tavako Ranomasom-pifaliana [Verse] N’inona voina mety hitranga Tsy zanaky ny hafa ianao Ny voahary tsy tia banga Hisy hitoetra eo anilanao [Chorus] (*2) Ny jamba hisy hitantana Ny moana hisy handre Ny tsy salama vatana Hisy hampianatra handeha Ny jamba hisy hitantana Ny moana hisy handre Ny tsy salama vatana Hisy hampianatra handeha