Tsy Ferana
Erick Manana
Fampidirana (2x) Tonony 1 Misy fitia tsy mety maty Fa mifikitra ao am-po Hodian-tsy hita mankarary Alevina tsy mety ho lo Tonony 2 Totofana vao miha-mitsiry Ilaozana manangatra Injao fa re mangirifiry Rehefa ianao tsy tazana Salovanao mandindona Fiverenana (2x) Fitiavako anao tsy ferana Maditra tsy hay lembenana Mandoro raha kobonina Tetezana (2x) Tonony 3 Ny lalana nizorantsika Anefa ity tsisy hirika Fa lalan-tokana izy ity Mivavahady rindrina Tonony 4 Ny fo mitempo sisa reko Izy tsy mety mionona Tsy te-hahalala hoe hatreto Misy tsy azo hoarana Mitia tsisy tahotra Fiverenana (2x) Fitiavako anao tsy ferana Maditra tsy hay lembenana Mandoro raha kobonina Tonony 1 & 2 & 3 & 4 Fiverenana (2x) Famaranana (2x) Ia ia ie ia ia ia ia ia o Ia ia ia ie ey io Ie ia ia ie ia ia ia ia ia o Ia ia ia ie Tia aho e